“Cher Frère RAFIRINGA,

Efa tonga amin'ny laharan'ny

Olon-Tsambatra

Tamin'ny sabotsy faha-17 janoary lasa teo dia nasain'ny Papa Benoa faha-16 navoaka ho didy ny fankatoavana trangam-pahasitranana tsy voazavan'ny siansa, ka ekena ho "fahagagana". Misy dimy izy ireo ka anisan'izany ny fahasitranana tanteraka noho ny vavaka natao miaraka amin'i C.F Raphaël-Louis Rafiringa.

Raha nandray ny taratasy fanendrena an'Atoa Narisoa Rajaonarivony, ho masoivohon'i Madagasikara any Vatikana, ny Ray Masina ny 18 nôvambra 2008 lasa teo, dia efa natsidiny sahady fa mandroso dia mandroso ny fotoana hanambaran'ny Fiangonana fa "Olontsambatra i Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa". Ka hoy indrindray ny Ray Masina tamin'izany : "Manana olona mamaritra tamin'ny fitiava-namana sy fitiavana an'i Madagasikara ny Fiangonana, tsongaiko manokana amin'izany ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo sy ny Mpanompon'Andriamanitra Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa, izay efa mandroso ny fanadihadiana ahafahana manambara azy ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra.

Mino aho, hoy ny Papa, fa ny taranaka aty aoriana dia handray azy ireo ho loharano tovozin-tsy ritra azo arahina sy alain-tahaka amin'ny oha-piainana nasehony".

Mpandresy ny habadoana

Raha ny amin'i Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa manokana dia betsaka ireo ezaka efa natao mba hampahafantarana ny momba azy. Maro ihany koa ireo toetra sy asa ary hatsaram-panahy nampiavaka sy nahalalana azy, fa iray amin'ireny no asongadina etoana.

 

Relijiozy tao amin'ny fikambanana "Freres des écoles chrétiennes " izy. Asa fanabeazana sy fampianarana ny ankizy sy ny tanora no nikelezany aina, nahomby sy mamiratra tamin'izany izy satria ankoatra ny faharanitan-tsaina, izay efa fanomezam-pahasoavana manokana ho azy, dia tsy nitandro hasasarana sy nandà tena fatratra izy nanabe sy nampianatra ny Malagasy mba ho olom-banona. Dia tena zanak'i Md.Joany Batista de la Salle tokoa, "ilay mpandresy ny habadoana izay mahavery ny fanahy".

 

"Ny anaran-dray, hono, tsy enti-miondrika".Mijoroa àry isika, mitrakà ho fanilo manazava ny iray tanindrazana amintsika izay mitady hoverin'ny habadoana izay misisika sy mahazo faka eo amin'ny sehatra rehetra eto amin'ny firenentsika.

 

Nangonin'i i-Besorongola